<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô,
 Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
 Satria matoky ny teninao.

[V2]
 Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina;
 Fa miandry ny fitsaranao aho.
 Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho,
 Dia mandrakizay doria.

[V3]
 Ary handeha amin'ny malalaka aho;
 Fa ny didinao no tadiaviko.
 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho
 Ka tsy ho menatra.

[V4]
 Ary hiravoravo amin'ny didinao aho
 Satria tiako ireny.
 Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny:
 Hosaintsainiko ny didinao.

[V5]
 Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
 Izay nampanantenanao ahy
 Izao no mampiononona ahy amin'ny fahoriako;
 Ny teninao no mamelona ahy.

[V6]
 Ny mpirehareha maniratsira ahy:
 Tsy mba miala amin'ny lalànao aho.
 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô,
 Dia mionona aho.

[V7]
 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
 Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
 Ny didinao no ataoko an-kira
 Ao amin'ny trano fivahiniako.

[V8]
 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô,
 Ka mitandrina ny lalànao.
 Izao no ahy:
 Mitandrina ny didinao aho.

[V9]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
<title>Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao TS6</title>
<hymn_number>6</hymn_number>
</song>